Ino Malaza n°9 : 17 Oktobra 2015

Mizara roa lehibe ny zavatra hita ao amin’ity laharana ity:

Ny tokony ho fantatra mikasika ny andron’ny 17 Oktôbra izay Andro Iraisam-pirenena Andavana ny Fahantrana Lalina.
Ireo hetsika nentina nakalazana ny faha-25 taonan’ny Fikambanana ATD Quart Monde Madagasikara nandritra ny taon-jôbily 2014-2015.

MATOANDAHATSORATRA

Nanomboka ny 17 Oktôbra 2014 ka hatramin’ny 17 Oktôbra 2015 dia mankalaza ny tsingerin-taona faha-25 niorenany ny Fikambanana ATD Quart Monde Madagasikara. Amin’ity taon-jôbily ity dia eo an-dalam-pieritreretana ny fametrahana tsangambato eto Antananarivo, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka isika ho fanomezam-boninahitra ireo maty nianjadian’ny fahantrana lalina. Tsangambato no fandre kokoa amin’ny fomba amam-panao eto Madagasikara fa tsy takela-bato. Matetika ny tsangambato dia atao ho fahatsiarovana olona iray na toerana iray na hanambaràna asa na zava-bita na tsingerin-taona. Fa ankoatra ireo dia mety hanana ny heviny manokana ihany koa satria toeram-pivoriana na toeram-pivavahana, toeram-pifandraisan’ny velona samy velona sy velona sy ny maty (ny razana) ihany koa. Io Tsangambato io dia toeram-pahatsiarovana, fivoriana, fifandraisana, fandraisam-pitenenana sy fanaovana antso avo noho ny tsy rariny ateraky ny fahantrana lalina, fa filazana ny herim-po sy finiavan’ny fianakaviana manoloana ny herisetran’ny fahantrana mianjady amin’izy ireo isan’andro ihany koa.

Ino Malaza 17 Oktobra malagasy