Madagasikara : ny vokatra nahafa- po ny hetsika fifampizarana ny zava-kanto amam-pahalalana

Tena nandrasana tokoa ny fanatontosana ny hetsika fifampizarana ny zava-kanto amam-pahalalana tamin’ny taona 2015 : taorian’ny tsy fisiany nandritra ny 8 taona tao amin’ireo faritra eto Antananarivo, dia natomboka indray izany. Nandritra ny herinandro maromaro, dia olona enimpolo teo ho eo (mpikambana ao amin’ny ATD Quart Monde –n’Antananarivo, Mahajanga sy Toliary, mpiara-miasa toa ny ONG Manade, ENDA, Graine de Bitume) dia nanambatra ny heriny mba hanomanana ireo atrikasa hampiainana ny hetsika teny Andramiarana sy Antohomadinika, ny 25 ka hatramin’ny 28 aogositra 2015. Tantaran’ ny ekipan’ny ATD Quart Monde Madagasikara.

Maro ireo ankizy no tsy mba mandeha miala sasatra amin’ireo toerana ireo. Noho izany, ny hetsika fifampizarana ny zava-kanto amam-pahalalana dia manentana azy ireo hanorina, hanonofy, hiaina ary manome an’ireo mponina fahafahana mirotsaka anatin’ny foto-drafitr’asa iray mba hireharehany ny toerana misy azy ireo. Ny fifanojoan’ny mpanakanto, ny mpanao asa tanana dia manentana ny fifankahazoan’ny tsirairay sy ny fivelaran’ny rehetra.

Ny fandaharana amin’iy taona ity dia : fanaovana karipetra, origami (famalomana taratasy), loko sy sary, fanaovana vakana, tantara sy fanentanana miainga avy amin’ny boky, nahandro, fikarohana siantifika, kilalao maro, arina mitsitsy, peta-kofehy, vako-drazana.

Ny 25 sy 26 agositra, dia nanomboka teny Andramiarana ny hetsika. Misy eo amin’ny fianakaviana 300 eo no miaina eny. Nifandrimbona nifanampy tamin’ny fikarakarana ny olona tao. Ny namindrana 1000 biriky teo mba hisiana toerana malalaka hanaovana ny vakodrazana dia tsy naharitra 10 miniotra akory.

Atrikasa dihy vako-drazana any Andramiarana
Atrikasa dihy vako-drazana any Andramiarana

Ny mpanentana tsirairay dia tompon’andraikitry ny atrikasa ataony. Ny tsirairay dia niara-nientana tamin’ny fandraisana ny vahiny na dia somary samy sempotra kely tamin’ny maraina voalohany iny. Mifampiresaka ny rehetra, miahotra indraindray fa samy miaraka sy manantena ny mba hanaovana ny fety hiavaka.

Faly ny mponina nandray ireo vahiny avy any ivelany sy nifampizara ny fahalalana amin’ny hafa. Matetika mantsy tsy miandry zavatra amin’izy ireo ny hafa. Misy renim-pianakaviana niteny taminay hoe : « tena tsy mampino ahy hoe misy olon—kafa liana amin’ny zavatra ataonay ety amin’ny fanariana fako. Faly sy mirehareha izahay fa afaka mifampizara ny fanaovana “tapis” amin’ireo namana Antohomadinika, Toliary, Mahajanga sy ny vahiny hafa koa.»

Ramatoa P., mpikambana amin’ny hestika ao Mahajanga : « afaka nanentana ny fanaovana “charbon” mitsitsy izaho izay nampianarin’i Mme Jacqueline anay tany Mahajanga. Izany dia midika fa ny fahalalana dia ifampizarana ao amin’ny hetsika ATD Quart Monde. Mirehareha izaho fa afaka mifampizara izany amin’ny hafa. »

Mandeha mitady ireo izay tsy mbola eo, izany dia ao anatin’ny sainay isan’andro. Fantatray fa amin’ny faran’ny lalana, akaikin’ny fanariana fako dia misy ankizy iray manana kilema izay tsy afaka mampiasa ny tanany sy ny tongotra. Ny toerana anaovana ny hetsika anefa dia somary lavitra ho azy. Noho izany dia naka azy izahay, niaraka tamin’ireo namany izay nifandimby nibaby azy. Nitohy tany Antohomadinika ny hetsika ny 27 sy 28 aogositra 2015, izay nahasarika ankizy maro tokoa, tanora ary olon-dehibe. Ny atrikasa natao nanodidina ny trano famakiam-boky « Joseph Wresinski »dia nahasarika olona maro avy ao amin’ny toerana anivon’ny renivohitra.

Efatra andro, feno finamanana, fifaneraserana tamin’ireo olona avy amin’ny toerana maro izay namela fahatsiarovana tsara ary nanome finiavana ny handroso lalina amin’ny fifanakalozan’ny fahalalana.

F., 12 taona : « Nahazo namana vaovao maro izahay amin’ny toerana ipetrahanay.»

Mpanentana an-tsitrapo : « tsy asa no notontosaiko fa tena fahafinaretana satria mahafaly ahy ny mahita ireo ankizy maro miaina finaritra mandritra ny fanentanana.»

Mme A. mpikambana avy any Toliary : « te hanolotra soso-kevitra izahay hoe fotoana ifanenan’ny namana Antohomadinika, Toliary, Mahajanga sy Andramiarana momba ny fifampizarana fahalalana ankoatra ny hetsika mba hampifandrimbonana ny fahaiza-manao.»

MJP, mpikambana avy ao Andrmiarana : « tena nahafinaritra ny hetsika. Tiako ny nahita ny faritra roa niara-nanatontosa, nandritra ny 4 andro dia toy ny faritra iray izahay. »

Mpianatra iray izay nitsidika nandritra ny hetsika :  « ny zavatra ataonareo dia tena ohatra tsara ho anay tanora. Ny fifampizarana ny fahaiza-manao amin’ny hafa dia mitondra fifaliana sy fanantenana mba hanohizana ny fiainana. Te hirotsaka amin’ny hetsika ATD izaho. »

Ho famaranana, dia fampisehoana lehibe nataon’ny mpanentana sy tanoran’ny ATD Quart Monde ary ny ONG Enda no nentina namaranana ny hetsika tamin’ireo toerana roa izay nanatontosana izany. Nahavory olona eo amin’ny 1000 eo ny hetsika nandritra ny 4 andro.

Prisca sy Guillaume, tariky ny ATD Quart Monde Madagasikara