Madagasikara

Tonga teto Madagasikara tamin’ny taona 1989 ny ATD Quart Monde ary manana ekipa eto Antananarivo.

Toerana roa no misy ny ekipa : Antohomadinika, kartie be olona sy mahantra ao afovoan’ny tanan-dehibe, sy Andramiarana, kartie kely eny amin’ny manodidina, anaty tanimbary.

Namerina namaritra ny fandaharan’asany ny ekipa tamin’ny taona 2023 ka namoaka :

  • Laharam-pahamehana iray : miasa miaraka amin’ny olona sy fianakaviana miaina anaty fahantrana lalina mba hahafahan’izy ireo mandray an-tanana ny fiainany sy ny fiainan-janany.
  • Sori-dalana roa :1) manao izay hifankahafantarana amin’ny olona sy fianakaviana miaina anaty fahantrana lalina mba hiaraha-hiasa aminy sy hiara-hiasa amina mpiaramiombon’antoka hafa,
    2) manao izay hahatafita ny ankizy mba hahatonga ny ankizy ho mpandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena, satria izay koa no fanirian’ny fianakaviana sy hahafahan’ny ankizy tsy handova fahantrana intsony.

Hampiharana izany dia nametraka rindran-damina amin’ny alalan’ny vondron’asa telo ny ekipa :

  • Sehatrasa “Tranomboky – famakiam-boky an kalamanjana – Tapori” ao Antohomadinika, izay hamondronana ny hery mba hamadihana tsikelikely ny tranomboky ho lasa ivontoerana ara-kolontsaina.
    Ity sehatrasa ity dia mikendry ny hahafahan’ny mponina ho liana amin’ny tranomboky sy handray azy an-tànana ary koa hampivoatra ny fisokafan’izy ireo amin’izao tontolo izao, amin’ny maha-olom-pirenena, amin’ny fahalalana vaovao.
  • Sehatrasa “Ho an’ny ankizy sy ny adolantsento ary ny tanora” sy sehatrasa “Ho an’ny olon-dehibe na MMM – Miasa Mianatra Miaraka” ao Andramiarana, izay hikatsahana ny fiaraha-miasa amin’ny mponina manontolo.

Hisy vaovao ho hita matetika amin’ny Facebook.

Azo jerena koa ny l’exposition photos : Asa sy sahanasa misy fiantraikany tsara amin’ny tontolo iainana.