Miray hina ho an’ny faritra misy azy ny mponin’Antohomadinika

Tsy maintsy mirobo-drano foana ao amin’ny Fokontanin’Antohomadinka, afovoan’Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara ao mandritra ny vanim-potoanan’ny orana. Tsy afa-manova ny toe-javatra mihitsy vokatry ny tsy fisian’ny fikojakojana ny tata-drano sy ny tsy fahampian’ny toeram-panariam-pako. Tototry ny rano ny lalankely efa tena tery dia tery ary dia miparitaka eny amin’ny tatatra mamakivaky ny fokontany ny fako. Misy fiantraikany goavana amin’ny fiainan’ny mponina izany. Mihasimba ny trano, voahelingelina ny fifamoivoizana ary mahatonga aretina maro ny hamandoana sy ny loto.

Tetikasam-piaraha-monina manaja ny tontolo iainana

Manoloana io olana io, dia nihetsika ny mponina manodidina, mba hanao tetikasam-panadiovana ny fokontaniny niarahany tamin’ny Fikambanana Malagasy “M’IHARISOA”, tetikasa notarihin’ny ATD Quart Monde, nandrakofana “paves” vita amin’ny tavoahangy plastika notsimponina, ny lalankely mamakivaky ny fokontany.

“M’IHARISOA” dia fikambanana eto an-toerana ivondronan’ireo olona manam-pahaizana manokana amn’io sehatra io. Mba hanatontosana ny asa dia nandray tanora teo amin’ny fokontany ry zareo. Nomeny fampiofanana ara-teknika mikasika ny fanamboarana sy fametahana “paves” plasitika ireo tanora ireo. Natorony an’ireo mpandray anjara ihany koa ny fomba fitsimponana sy fanavahana ny karazana plastika ampiasaina, ny fomba fandrafetana sy ny fiarovan-tena amin’izany. Ny tanjona dia ny hahafahan’ireo tanora ireo miditra amin’ny tontolon’ny asa maharitra.

Mba hanadiovana ny faritra dia nandray anjara mavitrika tamin’ny fitsimponana ireo tavoahangy plastika manentsina ny tatatra sy mandoto ny lalana izy ireo. Nahafahana nanadio ny tata-drano ihany koa ny asa vadi-drano tarihin’ny ATD Quart Monde isam-bolana.

Mandritra ny fotoana nanatontosana ny asa dia nivondrona tamin’ny fanohanana ny mponina ny Filoham-pokontany, ny fikambanana RF2 (Rafitra sy Fikojana ny Rano sy ny Fanadiovana) ary ny ATD Quart Monde. Ampahany 90 m tamin’io tetikasa lalankely io no vita tamin’ny 2017. Sady mora kokoa no azo antoka ny fifamoivoizan’ny mponina.

  • Faly ry zareo noho ny fiovana teo amin’ny fokontaniny, izay hadinon’ny kaominina matetika. Ankehitriny dia misy tetikasa vaovao eritreretina hamitana io lalankely io, izay mirefy 235m. Olona eo amin’ny 2000 eo ho eo no mampiasa io lalana io isan’andro.

Aza misalasala àry manohana io tetikasa io amin’ity rohy ity atdqm.fr/madagascar.

Tsy maintsy tohizina ny fanamboarana ny lalankely eto amin’ny fokontany satria lasa tsara sy madio ny fokontany rehefa misy lalankely vita “pavés. Ahazoan’ny tanora fiofanana sy asa koa io tetikasa io. Rehefa vita “paves” daholo ny lalankely rehetra dia hisy olona iray hanara-maso ny fahadiovana ary hisy dinam-pokonolona hampiharina amin’ireo olona tsy manaja ny soa iombonana.Tsy maintsy manampy toeram-panariam-pako ny fanjakana satria tena tsy ampy ny vakim-paritra 5 ao amin’ny fokontany mihitsy ny toeram-panariam-pako iray ary asiana dabam-pako koa isaky ny 20 m. Tokony haka fako ara-potoana ny fanjakana raha tsy izany dia hilatsaka ao anaty tatatra indray ny fako ary dia hiparitaka eny rehetra eny. (Hanta Lys mponin’Antohomadinika).

Antohomadinika anefa dia fokontany maresaka. Mety ho toerana azo iainana tsara, saingy tsy voangona mihitsy ny fako. Ankoatra izay dia tsy misy toeram-pidiovana, na, misy ihany fa efa tena ratsy. Miaina tanteraka ao anaty loto ny mponina. Na eo aza izany dia misy ihany ny asa maro be: varotra madinidinika, varotra hani-masaka na sasa lamba.

  • Mangetaheta fiovana ny mponina, tiany hihatsara ny fari-piainany, tiany hitombo ao anaty toerana madio tsy ahitana fahantrana firy ny zanany. Ny faniriany indray andro any dia tsy ho voailikilika sy tsy hoheverina hoe kamo noho ny fahantrany izy ireo.

“Ny tena marina dia tsy olona kamo mihitsy izahay, mandray andraikitra izahay, satria mivoaka maraina mba hitady hanin-kohanina ary dia hariva vao mody.Mahantra izahay fa madio.” (Charles)

Anisan’ny laharam-pahamehan’ny ATD Quart Monde ny fampiroboroboana ny toe-karena manaja ny olona sy ny taniny.

  • Matetika no tsy fantatra ny faiza-manaon’ny olona miaina anaty fahantrana, tsy omen-danja ny fandraisany anjara eo anivon’ny fiaraha-monina.

Ity tetikasa ity dia manambara fa rehefa ampivondronina ny faizan’ny tsirairay dia azo atao tsara ny miatrika ny zava-tsarotra noho ny fanadinoan’ny fanjakana ny faritra iva. Mba hahafantarana ny laharampahamehanay: “fampiroboroboana ny toe-karena manaja ny olona sy ny taniny” dia jereo ity sarimihetsika ity.

Mba hahafantarana misimisy kokoa amin’ny tetikasa iombanana.

0 comments Leave a comment

Leave a Reply

Your email address will not be published.