Madagasikara
Miorina amina toeran telo eto Madagasikara ny Fikambanana ATD Quart Monde: Antananarivo (1989), Toliara any Atsimo-Andrefana (1997) ary Mahajanga any Avaratra-Andrefana (2007).
Mpirotsaka an-tsitrapo sy namana mpiara-dia no mikatroka ao Antananarivo sy Toliara. Sakaiza vitsivitsy kosa ny any Mahajanga. Mikatroka amina kartie tena mahantra any an-toerana izay anaovany atrik’asa maromaro ry zareo.
Fanabeazana sy fizaràm-pahaizana amam-pahalalana.
Manampy amin’ny fanomezan-danja ny fahaizan’ny tsirairay ireo atrik’asa ireo, mifampianatra ny an-daniny sy ny an-kilany ary mikaroka izay hampihaonana ny rehetra.
Fizaràm-pahaizana amam-pahalalana amin’ny alalana famakiam-boky an-kalamanjana ho an’ny ankizy, fetin’ny fahaizana amam-pahalalana izay manetsiketsika ankizy, tanora ary ny fianakaviana manontolo.
Fihaonana matetika ataon’ny ankizy mikasika ny hetsika TAPORI.
Hetsika ataon’ny tanora mikasika ny fiofanana arak’asa, asa ataony any amin’ny kartie izay ahitana tanora maro mpanentana, lohalaharana amin’ny fizaram-pahaizana amam-pahalalana amin’ny ankizy.
Fihaonana sy fiofanan’ny mpikambana
Andron’ny fianakaviana na fihaonana nasionaly mifantoka amina lohahevitra iray.
Anjerimanontolo iarahana amin’ny sarambabem-bahoaka, natomboka ny taona 2015 tao Antananarivo.
Fihaonana amin’ny fiofanana iombonana iarahan’ny mpikambana rehetra.
Fahafahana hanao fiofanana arak’asa sy hananana asa mendrika.
10 taona izao, io fiofanana asa tanana tamin’ny alalan’ny tetik’asa antsoina hoe MMM (Miasa Mianatra Miaraka) io dia natao hahafahan’ny olona tena sahirana hahazo fahaiza-manao sy fiofanana izy io.
Asa iarahana amin’ny hafa
Efa nandritra ny taona maro ny Fikambanana ATD Quart Monde no Miasa miaraka amina Fikambanana tsy miankina amin’ny Fanjakana, andrim-pitondrana, ministera, tsongaina manokana ny ao amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny asa toy ny Vondron’ny Fiaraha-monim-Pirenena ho an’ny Ankizy (PFSCE) na Vondrona Fampivoarana ny Fahaizana sy Teknika momba ny Asa (DCTP).
Fankalazana ny 17 Oktôbra isan-taona miaraka amina mpiara-miombon’antoka maromaro.
Tamin’ny 2014 dia nankalazaina niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka, ny PNUD, ny Fivondronampokontanin’ Antananarivo Renivohitra, ny Fondation Telma, ary ny Ministeran’ny Mponina ny Andro Iraisam-pirenena Anoherana ny fahantrana lalina.
Ino Malaza n°14 Jolay 2019
Ny gazety Ino Malaza vokarin’ny ATD Quart Monde Madagasikara dia faly mizara vaovao ho antsika rehetra indray amin’ity volana Jolay (…) Read more
Miray hina ho an’ny faritra misy azy ny mponin’Antohomadinika
Tsy maintsy mirobo-drano foana ao amin’ny Fokontanin’Antohomadinka, afovoan’Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara ao mandritra ny vanim-potoanan’ny orana. Tsy afa-manova ny toe-javatra mihitsy (…) Read more
Ino Malaza n°13 Marsa 2019
Sary : fitsangantsanganana anovozam-pahalalàna miaraka amin’ireo ankizy tany Ambohimanga, vohitra manan-daja amin’ny tantaran’ny Madagasikara. Herintaona aty aoriana, miverina indray ny (…) Read more