Fahombiazan’ny seminera tamin’ny Tombanezaka mikasika ny tanjon’ny Taona arivo fahatelo hoan’ny Fampandrosoana (OMD)tao amin’ny banky iraisam-pirenena

Fanambarana an-gazety tamin’ny 15 febroary 2013-04-03

Io seminera io dia natao ny 14 sy 15 febroary tao amin’ny  tranon’n y Banky Iraisam-pirenena teto Antananarivo. Nanodidina ny enimpolo ny tonga nandray anjara tamin’izany. Tao aloha ny solontenan’ny fianakaviana ao anatin’ny fahantrana lalina izay efa nanoman-tena tamin’ny alalan’ny fihaonana isam-bolana sy ny andro roa nanaovana seminera savaranonando.Tao koa ny solontenan’ny ONG mirotsaka amin’ny ady amin’ny fahantrana. Ary farany dia tao ireo solontenam-panjakana avy amin’ny sampan-draharaha samihafa : Ministeran’ny mponina, ny an’ny Fanabeazana sy ny Fiofanana araka Asa, ny an’ny Tanora sy ny Fialam-boly, ny an’ny Fampianarana teknika. Voasolo tena tao koa ny UNICE, PNUD, AFD, ny Masoivoho frantsay, ny Banky Iraisam-pirenena

« Hoan’ny zanako sy ny zafikeliko no nahatongavako teto », hoy ny vehivavy iray monina ao Antohomadinika tamin’ny andro namaranana ny seminera nanombantombanana ny Tanjon’ny Taonarivo hoan’ny Fampandrosoana nokarakarain’ny Fikambanana ATD Quart Monde niaraka tamin’ny Banky Iraisam-pirenena. Izany ny fomba nanehoany ny hetahetan’ny fianakaviana ao anatin’ny fahantrana lalina hahita fivoarana mateza eo amin’ny fiainany. Io no  anton’ny fiezahany isan’andro vaky.

Zava-droa loha no tena nampiavaka an’io seminera io.

Voalohany, izy no nahafahan’ ireo olona tsy mba zatra niara-niasa mihitsy nifanakalo  hevitra : solontenan’ny olona ao anatin’ny fahantrana, solontenan’ny ministera, solontenan’ny fikambanana iombonam-pirenena roa na iraisam-pirenena maro, ary solontenan’ny ONG. Izy no nahafahana nifampizara ny fahaizana manokana nananan’ny sokajy tsirairay avy : fahalalana ny fiainana ho an’ny olona sahirana, fahalalana avy amin’ny asa ho an’ny ONG, fahalalana ara-panjakana sy mahazatra. Mba hahomby ny ady atao amin’ny fahantrana dia tsy maintsy mifanatevina ireny fahalalana ireny.

Faharoa, ny fomba nentina nifanakalo hevitra dia nahafahana nanoritra ny zavatra iaraha-mahita sy ny tolo-kevitra niombonan’ny mpandray anjara rehetra mikasika ny sehatra telo : ny asa, ny fiarovana ara-tsosialy, ny fanabeazana sy fiofanana araka asa, ny maha olom-pirenena ary ny fandraisana andraikitra. Ny tanjona dia ny hanolotra sosokevitra lanin’ny mpandray anjara rehetra ny amin’izay hetsika tokony hatao, dia ny hampita izany any amin’ny rafi-pitondrana samihafa any avy eo.

Indreto misy zavatra niaraha-nahita notsongaina

Ho an’ny fianakaviana tena sahirana, faran’izay kely fidiram-bola, dia tsy voahaja ny zo fototra maha olona hahazo sakafo, fonenana, rano fisotro, fahasalamana, Noho izany dia sarotra be ho azy ireo ny hahazo fanabeazana sy ny fiofanana. Noho ny fahasarotan’ny fiainana andavanandro, satria izay hohanina anio tadiavina anio, dia tsy afaka mamarana izay fiofanana mba azony  natomboka ny ankizy sy ny tanora, Tsy nahazo fitaizana sy fiofanana araka asa izy ka nofy ihany raha izy no hahita asa  mateza sy mendrika. Amin’ny ankapobeny, tsy mba manana fiarovana ara-tsosialy na iray aza ny fianakaviana tena sahirana, izany dia mety hiteraka fahafatesana noho ny tsy fahampian’ny fitsaboana sy ny fanafody.

Maro be ny zazakely vao teraka tsy voasoratra, manahirana be ny fepetra arahina, betsaka ny olon-dehibe tsy manana karapanondrom-pirenena ka tsy misoratra any amin’ny fokontany, ary izany dia manakana azy tsy ho olom-pirenena feno sy tanteraka.

Ny olona mivelona ny fahantrana dia mahatsiaro tena ho hamavoina sy  ailikilika : mahatsiaro tahotra, henatra, ary voatositosika rehefa miditra birao satria tsy mahalaza mazava ny tena tiany hambara, na koa tsy mba madio fitafiana.

Ny tsy fahampian’ny fahaizana sy ny fahalalana (tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra ary habadoana) no fototry ny fahantrana sy ny fahoriana.

Manoloana ireo zavatra iaraha-mahita  ireo doa indreto ny tolokevitra avy amin’ny mpandray anjara :

  • Manangana politikam-pirenena hoenti- miady amin’ny fahantrana, ary ampandraisina anjara amin’ny fananganana azy ny mponina tena sahirana.Tokony hisy sehatra hajoro hahafahan’ny Fanjakana sy ny fiarahamonim-pirenena miara- miasa.
      Fandrafetana sy fandaniana tetika vonjy maika ho fiarovana ara-tsosialy, ahitana solontenan’ny fianakaviana tena sahirana nankatoavin’izy ireo,izay mifototra amin’ny tetiky ny politikam-pirenena hoan’ny fiarovana ara-tsosialy efa misy (tetiky ny taona 2007 nohavaozina tamin’ny 2009).
  • Tetik’asa, fanaraha-maso ary fanombanana ny tetika  vonjy maika ho fiarovana ara-tsosialy mifototra amin’ny fanajana sy ny fanatanterahana ny zo fototra maha olona , indrindra ny zo ho an’ny fanabeazana, ny fahasalamana ary ny asa.
     Fiantohana ny fanabeazana fototra sy ny fiofanana araka asa ho maimaim-poana manerana ny Nosy. Tolorana fanampiana ara-bola ny tanora mbola vao miofana
      Atao maro karazana ny fiofanana araka asa  mba hifanentana amin’ny filan’ny firenena
      Ampitomboina ny fanabeazana sy ny fanentanana momba ny zo sy ny andraikitry ny olom-pirenena
      Manangana rafitra hitarinana sy hanoro hevitra manatona ny vahoaka ho fanajana ny zo.
      Mamela ny olona ao anatin’ny fahantrana handray andraikitra  amin’ny fanatsarana ny tontolo iainany.

Tsy ho tontosa anefa ireny fanavaozana ireny  raha tsy miova  ny fisainan’ny olona any amin’ny ambaratongam-piarahamonina rehetra.

Izao no tenin’ny solontenan’ny fianakaviana iray ao anatin’ny fahantrana rehefa notombanana ity seminera ity : «Andro roa tena nanana ny lanjany manokana ho anay ireo.Tsy mba falamboly mihitsy Zava-dehibe ny  niady hevitra ny amin’ny hoavin’ny zanakay sy ny an’ny taranaka any aoriana ary ny an’ny firenena… »  Nahomby mihitsy ny fifandraisantsika teto. Tena nampanankarena anay ity fihaonana ity Lasa nitombo ny fahavononanay Tsy nisy fanamavoana anay tato.Noraisinareo ho tena olombelona tokoa izahay.Nahatsiaro tena ho olom-pirenena mitovyaminareo izahay. Fantatray fa manana ny ilaina hoenti-mivoatra izahay. » .