Fijoroana vavolombelona 28 Oktobra 2014 La Réunion.

Fankalazana ny faha 25 taona ny nitokanana ny takelabato ho fahatsiarovana ireo olona maty noho ny fahantrana lalina.

Lohahevitra : Tsy misy olona atao ankilabao : miara-mandinika, miara-manapaka, miara-miasa hanohitra ny fahantrana lalina.

Raha jerena io lohahevitra io dia tsara satria mampitodika ny olona rehetra amin’ny ady amin’ny fahantrana. Ny olona tsirairay dia manan-jo hiaina ankalalahana nefa betsaka ny olona no mbola voagejan’ny fahantrana lalina. Ahoana ny fomba hanajana izany zo aman-kasina maha olona izany eo amin ‘ny fiaraha-monina ?

Ny nataonay volaohany dia ny fifampidinihana ny amin’ny fomba hidirana birao sy hahazoana kopian’ny sorapiankohonana hoan’n’ny olona izay tsy nanana izany teo amin’ny fotoana nahaterahany. Betsaka manko ireo olona miteraka any antrano miaraka amin’ny mpampivelona ka tsy nisy nampahafantatra izany tamin’ny tompon’andraikitra satria tena mbola vitsy dia vitsy ny mpampivelona afaka manao an’izany.

Miara-miasa amin’ny fokontany izahay ary mamonjy fivoriana amin’ny fokontany ka izany no ahafantaranay ireo olona tsy mana kopy. Misy ihany koa ireo ankizy sy olondehibe izay fantatray tamin’ny alalan’ny famakiam-boky ankalamanjana. Nahita izahay fa nisy ankizy maro tsy nanana kopia ary nahatsapa fa very zo izy ireo satria tsy afaka miditra ampianarana. Raha ohatra ka tsy voavaha io olana io dia sahirana izy ireo rehefa lehibe ka haka kara-panondro. Ny olona tsy maman kara-panondro anefa dia tsy afaka hanana asa ara-dalana ka lasa mivezivezy tsy etsy sy eroa. Ny olona izay tsy manana kara-panondro dia voailikilika avy hatrany satria tsy afaka ny handray anjara amin’ny fiainana ao amin’ny kartie sy ny firenena. Nanapa-kevitra izahay fa hitsangana hiara-hientana miaraka amin’ireo fianakaviana sahirana eo amin’ny kartie Ambondrona sy Ambalavola mba hiara-dia aminy mikasika ny taratasy rehetra ilaina.

Mahatsiaro manokana an’i Bilao izay raim-pianakaviana manan-janaka tsy manana kopia izahay.Tena matahotra izy hankany amin’ny birao satria betsaka ny fanilikilihana izay nahazo azy sy ny olona sahirana toa azy. Nilaza izy matahotra sao dia havezivezin’ireo tompon’andraikitrampiandraikitra sy hakany vola be. Lava ny lalana tsy maintsy aleha vao mahazo kopy ary betsaka koa ny varavaran’ny birao tsy maintsy idirana. Mankany amin’ny firaisana aloha maka taratasy ho fenoina ka rehefa feno io dia averina any amin’ny firaisana indray. Rehefa avy nohamarinin’ny firaisana izany taratasy izany dia entina any amin’ny BMH (bureau Municipal d’Hygiène) io taratasy io ka aorian’izay dia mankany amin’ny tribonaly. Tena toerana atahoran’ny fianakaviana sahirana tahaka an’i Bilao izay nilaza fa tsy misy ny tokony handehanany any amin’ny tribonaly satria tsy nangalatra sy tsy namono olona hono izy. Mandritra ireo dingana rehetra arahina ireo dia miara-dia amin’ireo fianakaviana izahay amin’ny fanamboarana ny kopy. Lasa olana lehibe ny fatahorana tribonaly ka rehefa hita fa tsy tonga izy ireo dia arahina any amin’ny kartie misy azy tsirairaydia miara-mankany amin’ny tribonaly. Ankizy 15 na 20 eo ho eo no indray tohanana amin’izany ary lava be ny fotoana iandrasana ny valin’ny fangatahana. Ireo Ray amandreny ihany no miteny fa izahay kosa dia miara-mijoro aminy sy manotrona azy.

Ireo namana mpiara-dia sasany dia samy manentana any amin’izay faritra misy azy ary miara-mandinika aminay ny amin’ny fomba hahazoan’ny ankizy kopy. Samy miezaka ny tsirairay any amin’izay misy azy eny fa na dia tsy manao asa iombonana mivantana any amin’ny kartie aza izahay.

Izahay any Majunga mantsy dia tsy misy mpirotsaka antsitrapo monina any fa ny fianakaviana sahirana sy namana mpiaradia no mitondra ny fikambanana. Ireo mpirotsaka antsitra-po any Antananarivo dia manohana anay amin’ny firotsahanay. Ohatra faharoa amin’ny firotsahana dia ny an’iJoel izay tanora lahy 25 taona izay miaina ao anatin’ny fahasahiranana lalina ao Majunga. Monina ao amin’ny faritra be olona sahirana izy. Betsaka ny dina sy ny zavatra andoavambola ao amin’ny kartie ka ny olona sahirana dia tsy mahaloa an’ireny matetika. Ny tsy fandoavana ireny adidy ireny dia miteraka fanilikilihana eo amin’ny fiaraha-monina. Nisy olona maty tao amin’ny faritra ipetrahan’iJoel ary olona tena sahirana no maty ka tafiditra tamin’ny sokajin’olona tsy mahaloa adidy izy sy ny fianakaviany. Tsy noraharahain’ny fokontany ny razana sy ny fianakaviany ary tsy nojereny akory. Niara-nandinika sy niara-nanapakevitra iJoel sy ireo tanora namany fa hikarakara sy hanampy ny fiankaviana mana-manjo. Nitety trano ry zareo nampahafantatra ny zava-misy sy nangataka fanampiana ary nanazava fa hoe tsy olona tsy te handoa adidy ry zareo fa latsaka ankaterena loatra amin’ny fahantrana. Koa nanampy avy hatrany ny olona, ny sasany nanome vary ary ny hafa nanome vola. Nisy lisitra mazava natao tamin’ny fanampiana voaray. Ny vola azo no namidy fafana (hazo) izay nanamboarana vatampaty. Rehefa izay dia nijanona niari-tory niaraka tamin’ireo mana-manjo iJoel sy ny namany ary rehefa nahita ny nataon’ireo tanora ny mponina dia mba tonga namangy sy nipetrapetaka teo namita ny adidy. Vao maraina be dia lasa iJoel sy ireo namany nihady fasana ary voalevina tahaka ny olona rehetra ihany ny maty. Dia nanorina fikambanana kely ireo tanora ireo mba ahafahana miady mandrakariva amin’izay tsy azo ekena tahaka ny fahantrana lalina ary mbola mijoro mandrak’izao.

Efa 25 taona katroka izay no nitokana ity takelabato fanomezam-boninahitra ireo maty noho ny fahantrana ity ny fikambanana eto La Réunion, takelabato izay manentana antsika rehetra hivondrona sy hiaray hina hoan’ny fampanajana ny zon’olombelona. Ny ao Madagasikara dia tsy mbola manana ny takelabato fa mbola eo ampanomanana hoan’ny taona 2015. Ny lohahevitra izay manentana antsika eto androany koa dia ny hoe: Tsy misy olona ataoa ankilabao: miara-mandikina, miara-manapaka, miara-miasa hamongorana ny fahantrana lalina. Izany lohahevitra izany dia azo fintinina amin’ny fehezanteny voasoratra ao amin’ny takelabato hoe: Tsy misy zon’olombelona voahaja ao anatin’ny fahantrana lalina n’aiza n’iaza na oviana na oviana. Adidy masina ny firaisan-kina hampanajana izany zo izany.

Mompera Joseph Wresinski. Misaotra tompoko.

Jules RAKOTONDRAVAO SR Henriette BANA ( MADAGASCAR)