Tratry ny taona eh ary mirary fahasalamana feno ho antsika rehetra.

Toy izao no namaritan’ireo mpikambana ao Mahajanga ny fikambanana ATD Quart Monde : “Ny fikambanana ATD Quart Monde sy ny ady amin’ny fahantrana dia tahaka ny taretra. Ny taretra dia madinika dia madinika tokoa nefa tena ilaina eo amin’ny fiainana. Ny taretra dia azo anamboarana gony sy kitapo, lamba fitafy sy zavatra maro samy hafa izay tsara tarehy tokoa. Tsy maintsy taretra maro anefa no mifamatotra sy mifandray mba hahavitana zavatra. Kely sy bitika toy ny taretra ny fikambanana nefa vokatry ny firotsahan’ny maro an’isa dia ho fongotra ny fahantrana.”

Enga anie ity taona vaovao 2014 ity mba ho taona izay hanamafy ny fifamatorana sy fifandraisana eo amintsika, ho taona izay hiarahan’ny olom-pirenena rehetra, ny firenentsika manontolo sy izao tontolo izao hanorina miaraka ny fiadanana sy fandriam-pahalemana izay irin’ny rehetra.

Tratry ny taona eh ary mirary fahasalamana feno ho antsika rehetra.

Ny mpikambana rehetra ATD Quart Monde Madagasikara